Volatiana (DON Excellence)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ravo ny fo rehefa tonga ny atoandro
Rehefa eo ianao, tsy ela dia hariva n andro
Satriko ny hahita anao eo foana
Na dia mbola tsy haiko hoe ahoana?


Matahoatra aho ny hampisokatra ny vavako
Manahy aho sao fandavana no setriny fitiavako
Inoana fa tsy hanome tsiny ahy ianao ry tiana
Raha hatram'zao aho miantso oe Volatiana


Mandrapahoviana nefa no hanginako amin'zao
Raha hitia mangina tena tsy mba ho azoko atao
Tsy maintsy sahy nefa raha tehotiana
Ka hivadika malala ilay hoe volatiana


Don
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
196 0
Hevitra mandeha
Yagiz ( 20/09/2023 08:15)
Cc ho an'reo namana manana anarana oe Volatiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DON Excellence
Nampiditra : Yagiz
Daty : 20/09/2023 08:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0255