Aza miandry ho masina! (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ve hiandry ho voky, vao 'ndeha hitady kaly, (*)
Na hiandry ny ho salama, vao hiditra hopitaly?
Ianao ve hiandry hadio, vao vonona hisasa
Sa hiandry ho be karama, vao 'ndeha hikarok'asa?

Nahoana kosa kay, ny resa-pivavahana,
No angatahana andro, ilànao maka bahana?
Aza miandry hariva vao handondòna lanitra,
Fa dieny mbola antoandro, henoy re Andriamanitra.

Tsy ianao efa madio no ilainy sy tadiaviny
F'ianao mbola masiso, no antsoiny mba hotiaviny
Kilioban'olo-marina angaha ny any am-piangonana,
Fa tsy an'ny miaiky ho diso, manatitra fifonana?

Tsy iandrasam-piovana ny hiverina ao am-bala
Fa saino tamin'ny nody, ilay iraikalahy adala :
Voaray an-kafaliana, nanaovam-panasana,
Tsy niantsoan-drainy tody, voavela fahotana.

Ity tononkalo ity, 'zay vakianao anio
Dia antson'Andriamanitra ka saino, tadidio :
Tongava any am-piangonana, eny, isan'alahady!
Raha te handova lanitra, dia io no vavahady.

Meteza hovokisana, ny fo, fanahy sy saina
Meteza hositranina, ka hovelomin'aina
Meteza ianao hodiovina amin'ny fotaka mandrevo
Dia hiasa ho an'ny Tompo, hanompo fa tsy andevo.

DotMG, 04 jona 2019

(*) kaly : aingibolanjatovo, midika hoe sakafo, hanina.
--------
Rohy:
546 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102