Miarahaba an'ilay tafiditra - DotMG
Ho anao izay vao tafiditra, ianao izay vaovao
Hoy aho sy Sylvia hoe "Arahabaina indrindra"
Kanefa etsy kely, ito hafatro ho anao
Vakio re ity fitsipika, hahaizanao mamindra.
Izahay ireto mantsy, miseho sarotindrotiny
Mitaky ny hanajana ny Teny Malagasy
Ho teny tena feno, fa tsy izay potipotiny...
Voarara noho izany, ny soratra Somaiso.
Aza misahirana manoratra ato akory
Raha toa ireo litera no toa vidianao lafo
Aleo indray tsy misy, toy izay hanorisory
Ny fanafohezan-teny, irony atao totoafo.
Aza misahirana manisy "commentaires"
Raha toa ianao tsy vonona hanaja ny tsipelina
Mantsy ho very maina, voafafa ireo tsikera
Raha toa ny zana-tsoratra ka tapitra voatelina.
Litera malagasy dia iraika amby roapolo
Ampy hamoronan-tononkalo tsara be
Tsy ampiana tsy analana, tsy ilaina hoe asolo
ny marika sy "U", na "W", "C"
DotMG
Mombamomba
Mpanoratra : DotMG
Nampiditra : DotMGDaty : 02/03/2015
Mpamangy : 1461
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IVO SOA AN'NY FIAINAKOOhabolana fahafito
Aza miandry ho masina!
Lafo vidy ny litera
Lozako
Alika manaikitra
Tana
Asa izany ... tsikintsika.
Hafahafa koa...
Ompa tsy mahafaty