Lafo vidy ny litera - DotMG
Lafo vidy ny litera ...
K'aza saininao akory izay fitsipi-panoratana
Ny voambolana afohezo
Ary ny hafatra fehezo;
'Reo kahie fahiny dory, atsipazo ery am-patana.
Raha ny fandrasana teny tsy mba mila hofantarina
Ny zanatsoratra aoka hatelina,
Dia havaozy ny tsipelina
Faikantsoratrao(*) ireny izao no ekena ho tena marina.
Dia ataovinao an-tsaina, hoe Radama anie ka nandra
Fa nataotaony anjoria
Ny famoronana abidia;
Ireo litera tsy nilainy, ampiasao mivandravandra.
'Reo zay nanabe ny voho ilay teny malagasiny
Aetreo, dia otay fady
Ihomehezo raha mitady
Faikantsoratra tokoa izao no manana ny hasiny.
Raha izay teny gasy mantsy, resim-panatontoloana
K'ampiasao ireo teny baiko
Sy voambolana tsy ho haiko,
Dia sahia mamely fantsy ireo izay tara fandrosoana.
Hadinoy ny taratasy, ny kahie sy ny solaitra
Fa finday sy ny SMS, "tablette" izao no raitra
sy mpanjaka an-tserasera...
Lafo vidy ny litera,
K'awk enw ts andan l'R,
we anaj gram'R.
DotMG, 02, 08 janoary 2014
(*) Faikantsoratra: lamaody fomba fanoratra vaovao izay mitroka ny zanatsoratra manome tsiro sy bika ny tsipelina, ka izay tena faikany tsy azo atelina sisa no atolotra ny mpamaky. Ny andalana roa farany amin'ity tononkalo ity dia nosoratana tamin'ny endrika faikantsoratra.
Mombamomba
Mpanoratra : DotMG
Nampiditra : DotMGDaty : 01/06/2017
Mpamangy : 1765
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
IVO SOA AN'NY FIAINAKOOhabolana fahafito
Aza miandry ho masina!
Lozako
Alika manaikitra
Miarahaba an'ilay tafiditra
Tana
Asa izany ... tsikintsika.
Hafahafa koa...
Ompa tsy mahafaty