Ise kay maty 3 (DotMG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
E r'ilay fahavaloko, fifanasako vangy
Andeha tsy hiady intsony, fa mba hisangisangy
Dieny mbola velona, andao re hifamangy
Anio no hifamela, fa tsy hiandry rehefa dangy.

Tsy maintsy hihaona mantsy, fa vorona an-garaba
Toa voanjo indray manendy ao am-bilany saba
Ka rehefa mifanena, andao hifampiarahaba
Hifanao teny mora, tsy misy tabataba.

Jereo ireto isika: mitonona ho mpivavaka
Raha tonga ny alahady, baiboly no firavaka
Tazanin'olon-kafa: toa masina sy miavaka;
Ny lolom-po anefa: aretina mandavaka.
---
Aleo izaho no hanomboka hangata-pamelàna
Ifonako aminao, izay rehetra fahotàna.
Ny foko efa nodioviko, ka sanatria hitàna
Izay mety ho alahelo na koa fankahalàna.

Tsy hisy hotanisaiko ireo fihetsikao nafaitra.
Ny teny naharary, nanindrona tsy laitra :
Foanako ato an-tsaiko, ataoko tsy hahataitra,
Hovaiko ny fijery; fafàko ny solaitra!

Pejy iray vaovao no tiako havaditsika
Fa efa tena ampy, ny gidra sy ady alika
Ny ho avy no himasoana, ka andeha ny politika
(ho)Soloina revy manja, dia kalo sy mozika.
---
Alaivo sary an-tsaina, isika hifamela,
Ho toy ny mpisakaiza nifankahalala ela
Hanaiky hifankatia, hamadika takela
Ka tena hiova marina, tsy hivadibadi-dela.

Hitondra ho aiza mantsy izay lolom-po tsy maty,
sy ny avonavon-kevitra kobonina ao anaty?
Fanefitra aza injao, raha sendra lany daty:
Ho zary lasa poizina handrotika ny aty!

Tsy hoe mampandry andrisa aho, mambosy anao hatory
Kanefa hamely am-pitaka sy mbola hampahory
Ny mbola hifanditra, dia tsy ao an-tsaiko akory
Ka halalaho ny saina, ny fanahiana esory!

Izao no hany hafatra sy tiana hahatongavana:
Dieny samy velona no tsara isika hihavana.
Tsy hoe rehefa maty aho vao hanehoam-pitiavana
Fa andrao ireo ratsy vita no hanjary hifanodiavana.

Avrily 2021
--------
Rohy:
66 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014