Indrisy ry malala! (Elysé Azrael)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany sentom-poko,
Izaho mifokofoko:
Indrisy! Tsy hitanao...

Ianao mitoetra anilany,
Mianoka ny hirany:
Hadinonao tanteraka...

Ilay isika roa mangina
Nifanolotra ilay dina:
Toa tsy nisy re ry tiana!

Ny tanjotsika tsisy tratra,
Ny hany sisa? fo maratra:
Indrisy mantsy! Ianao lasa...

Indrisy! "Indrisy ry malala,
Izao tokoa ve no anjara?"
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
254 1
Mpakafy: Azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0227