Araho Tsiky - Fanomezantsoa Lcv
Lasalasa ny fisainana
Raha mandinika ny fiainana
Izay toa tsy maintsy hiainana
Lasalasa ny vinany
Raha mandinika hatrany
Izato fiainana eto an-tany
Vao maraina vao mifoha
Dia fitadiavana avy hatrany
No masaka ao an-doha
Tsy mba misy fitoniana
Fa rotoroto lalandava
No mandrakotra ny tava
Ka toa izay hita iray
Toa miritondritona
Sy tena be kizitina
Ny hany fanafodiny
Araho tsiky foana
Izay rehetra manoloana
Sokajy :
fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Fanomezantsoa Lcv

Nampiditra : FanomezantsuLcv
Daty : 19/07/2019
Mpamangy : 370
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ilay Fitia Tsy Mety MatyNy fiainana eto an-tany