You are here: home > Vetso

Ny fiainana eto an-tany - Fanomezantsoa Lcv

Mandalo sy miserana
Ny fiainana eto an-tany
Ka mbĂ  mailo hatrany

Feno fitapitaka
Sy feno velam-pandrika
Ka sao ianao voafandrika

Aza dia variana
Sy sodokan-drendrarendra
Fa tandremo re ny tena

Dia sahia mijoro
Ho fitaratry ny ampitso
Ho fahazavana hatrany

Handeha am-pahamarinana
Dia ho hitanao ny tambiny
Fa fiainan-tsambatra aok'izany

Hiaina am-pitoniana
Tsy amin'ahiahy
Fa ho feno fifaliana

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fanomezantsoa Lcv


Nampiditra : FanomezantsuLcv
Daty : 19/07/2019
Mpamangy : 340
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Ilay Fitia Tsy Mety Maty
Araho Tsiky