You are here: home > Vetso

Valim-bavaka - Fanomezantsoa Lcv

Azo vakiana?

Taona maro no nitolona
Nandoalika nivavaka
Nangatahiko ilay olona
Tena tsara sady miavaka

Nitalaho tsisy otr'izany
Fa te hanana ny soa
Niangavingavy, nitomany
Fa maniry ny hiara-droa

Dia niandry, nanantena
Natao ambony ny finoana
Nianatra nanetritena
N'inon'inona midona

Fa taty aoriana kosa
Hendre zany hafaliana
Nody ventiny tokoa
Ilay rano natsakaina

Ny Tompo tsy mba tara
Fa manana fotoana
Tena mety sady tsara
Anasoavana ahy fona




Sokajy : Vavaka, Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : Fanomezantsoa Lcv


Nampiditra : Fanomezantsulcv
Daty : 05/12/2021
Mpamangy : 170
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Hanody anao
Ry malalako Izato foko a
Ilay Fitia Tsy Mety Maty
Araho Tsiky
Ny fiainana eto an-tany