You are here: home > Vetso

Ilay Fitia Tsy Mety Maty - Fanomezantsoa Lcv

Azo vakiana?

Nahagaga ahy ilay fitia
Noheveriko fa maty
No indro indray  nifoha

Nahagaga ahy ilay fitia
Fa miaha mafana hatrany
Mampatsiaro ny taloha

Miredareda be hatrany
Mandoro toa tsy tanty
Mandoatra ny any anaty

Ka ho averiko ambara
Eny na tsy ho anjara
Tiko fona enao malala

Ho tiaviko mangina
Ka na inona miseho
Dia ho ekeko am-pitsikiana


Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fanomezantsoa Lcv


Nampiditra : FanomezantsuLcv
Daty : 03/01/2021
Mpamangy : 215
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Araho Tsiky
Ny fiainana eto an-tany