Androm-pahafatesako (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio ilay androm-pahafatesako;
Hiakatra ny maso,tsy ahita intsony!
Na iza na iza ety ambonin'ny tany;

Ny fitempon'ny foko hijanona hatreo!
Tsy hihetsika intsony,tsy handinika koa!
Andeha re ry aiko,misinda mankany;
Any @ilay paradisa,any ankoatra any ho any!

Paradisam-pitiavana ve? sa paradisam-pahoriana!
No indro noventsoina,noeritreretiny;
Andeha re manidina eny an-danitra avo!

Any an-koatra any ve mbola misy ny lavo?
sa fahasambarana no mibosesika ao an-tsaina!
Ho rava ve ireo taraina?
Ho tonga ve ireo nokasaina!
Eny!tsy fantatro,tsy tsinjoko;
Ireo mety hiseho;izay mety mba ho.anjarako
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana
602 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149