You are here: home > Vetso

Assah - Rary Nofy

Azo vakiana?

ASSAHH
Asssahh re izay ao an-tsainy;
Na ahoana na ahoana!
Fa iny ianao ilay nantsafainy;
Hoe tsy tiany ianao manoloana.
       Tsy hay fantarina,ny ao anatiny;
       Toa afeniny dia afeniny!
       Ny amboraka izany no tsy tantiny;
       Ka aleo hoenty mandra-matiny.

Fa nahoana loatra e!
Izato mba toe-tsainanao;
Tsy mifidy ny hisondrotra,hivotra,izao
Fa Toa miova ho ratsy anie!
        Asssaah re izao ao an-tsainy!
        Sy ny ao am-pony tsy milaoka!
        Na ho soa na ho ratsy;
        Na sorisorin-tsaina mipaopaoka.
Tsy haiko,
Tsy tandriko
Fa ny hany ho katsahiko;
Dia ny hahafantatra hamoaka ny tsiahiko.
                          Maharavo.A