You are here: home > Vetso

Bitsiky ny fanahiko - Rary Nofy

Azo vakiana?

  BITSIKY NY FANAHIKO
Gaga ihany aho satria...
Ianao ilay fatram-pampifaly,mpanomé fitia;
No re'ko mitomany,mitalao;
Ao an'eritreritro ao.
         Toa mikiaka mafy izy!
         Hoe"aiza ihany re ianao.
         Moa va re efa nanadino;
         Ny fisiako hatramin'izao!
         Sao tsy tandrinao intsony?
         Ireny lantolantoko ireny.
Lasalasa saina aho satria;
Toa noamafisiny,noteneniny tao ny anarako.
Noesoesoiny,tsy nasiana tsia!
Fa notantarainy izay rehetra voatsikaritro
Ka novetsoiny tao ireo...
Hetaheta,fijalina sy tsiaroko.
         Mahagaga ahy avokoa
         Ireo rehetra voambarany!
         Fa mitovy toa ny ahy izany;
         Amin'ireo rehetra,voateny.
         Ka hoy izy rehefa farany;
         Ajanony,aza sainina,tsaroana intsony
         Ireo rehetra ireo raha toa ianao efa leo.
Nanamafy koa izy hoe...
Soraty mora fotsiny ary.
Izao tanisaiko,ambarako aminao;
Mba hampitsiky sy hampifaly
Haharavoravo,ilay alokao omaly;
Ary koa hiovan'izao tontolo izao.
                 Maharavo.A