You are here: home > Vetso

Diso ve aho? - Rary Nofy

Azo vakiana?

       DISO VE AHO?
Diso ve aho androany
Raha hanambara aminao!
Ilay ventsom-poko iray
Izay mibitsika ao anaty ao.

Te hanambara fitiavana
Te hamoaka ny ao anaty
Te hiventso ny alahelo
Sy ireo fahoriana izay tsy tanty.

Diso ve aho anio;
Raha hitory fitiavana?
Hanambara ilay faniriana
Mba hisondrotan'ilay fitsikiana.

Hamafa ireo alahelo
Sy ireo aloka izay mieloelo
Hanadino ireo fijaliana
Sy ireo ozona izay efa nahiana.

Diso ve aho izao?
Raha hangataka fanampiana aminao!
Mba hamaky ity amboaran-tononkaloko
Sy ireo efa voasoratro hatrizay ka hatrizao.
                 Maharavo.A