Ekeko (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nahoana re ry ray?
no toy izao no anjaranay?
fahantrana,fahoriana tsy lany!
no hany eto an-tany!

fa nahoana tokoa moa;
Reny eny an-dalam-be!
ireny mpangataka ireny!
Tsy mahita izay aleha!!

Ianao angaha no nanome?
fahoriana lalan-dava!
Ireo fanahiny tena ory;
Ka nahatonga ahy tsy nahita tory.

Ekeko re ry ray;
izay tsara vitanao!
k'anefa ny fony re hiantrao!
fa efa niharitra ny mafy;

ny foko mantsopika;
mandinika hatreo;
ka ny saiko no.hivika!
mibanjina,mandinika ireo!

ho toy ny hazavana ve?
ny anjarany izao!
ireny mahantra ireny;
Toa mangina tsy miteny!

Toy ny aloka miserana ve?
izato fiainan'eto an-tany?
fa toy ny aloka aman-javona re;
zany ao an-tsaina raha maminany.
--------
Lien:
158 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148