Enjikenjika ny fiainana (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENJIKENJIKA
Enjikenjika ny fiainana;
Vezivezy isa-minitra;
Rehefa leo ny fitarainana;
Dia lasa indray mipitrapitra!
Enjikenjika ny fiainana;
Revorevo,mikatsakatsaka!
Ka atao ambony ny fisainana;
Mba hisondrotan'ireo nalatsaka.
Enjikenjika ny fiainana;
Fendrofendro,tebiteby
No hany mba hiainana;
Fa dia mandrebireby.
Enjikenjika ny fiainana;
Fa tsy mba misy fakana aina;
Revorevo marobe no tonga ao am-pisainana
Rehefa iny mba mieritreritra ny saina.

Enjikenjika ny fiainana;
Fa tsy mba misy fiatoana;
mirenireny no mba fiainana;
Rehefa tsy misy fanompoana.
Maharavo.A 10.05.2017
--------
Rohy:
663 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149