Ento (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENTO
Ento manaraka anao re
Ny foko ry voron'irony!
Ento misosa eny ambony e
Fa diso ny lokan'ny fo toy itony.

Ento,sakambino an-tratranao e
Mba hianoka fahasambarana
Hiano-pifaliana indray re
Fa efa ziogan'ireo fifaharana.

Ento mba haka hamamiana
Re ny foko ry lolo manidina
Higoaka izay hany mba tiana
Eny an-bonin'ireo vony misidina.

Ny raozy sy ireo voan-kazo
Ireny mantsy no tsy lany hamamiana
Fa ireny no tsy mba malazo.
Fa mamy foana tsy misy fifaranana.
Maharavo.A 15.04.2017
à Ambatofotsy avara-drano
--------
Rohy:
642 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153