Ento aho re ry tongotro (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENTO AHO RE RY TONGOTRO.
Ento aho re ry tongotro;
Fa mbola ho lavitra ny lalan-kaleha;
Ka faingana izao dia izao;
Fantaro tsara ny dia aleha.

Ento aho re ry tongotro;
Ento aho fa maika ny ahita;
Ilay lalan-ko diaviko;
Na eto na any am-pita.

Ento aho re ry tongotro;
Kanefa entinao aiza re?
Any amin'ny tiany ve?
Sa any amin'ny tsy fantatro.

Ento aho re ry tongotro;
Ento mirenireny any e!
Na aiza na aiza hitondranao;
Dia andeha foana aho fa tsy ho meda fandeha e.

Ento aho re ry tongotro;
Fa maika ny hivezivezy;
Hitetitety ny habakaban-taniko;
Hijery ireo olona mafamezivezy.

Ento aho re ry tongotro...
--------
Rohy:
941 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144