Eritreritra mandalo (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ERITRERITRA MANDALO
Nieritreritra ny saiko;
Ary nandinika hatrany;
F'ilay fitiavanao
Dia mbola ho nofy ihany.

Mety ho rava, mety ho potika;
Toy irony zavo-mandalo;
Tsy ho ela dia ho rotika;
Fa efa ravan'ny mpandalo.

Tsy hita intsony fa hanjavona;
Hanalokaloka ity foko ity
Angamba amin'izay mety hiavona
Rehefa mba miteny,toa manako be ery.
--------
Rohy:
577 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156