Etsy angeee (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ETSY ANGE!!!
Etsy re ianao hafarako kely;
Mba hitondra hafatra ho an'ilay havako;
Teneno aminy fa izaho aty manirery;
Malahelohelo,ka malomaloka ny tavako.
Raha ho any re ianao
Dia aza mba adinonao!
Ny miteny ilay nambarako;
Ataovy tonga any ilay mba hafatrafatro.
Rehefa tonga any re ianao;
Dia asaivo valiany an-taratasy!
Ilay valin'ny nentinao;
Ary aza asaina ataony amin'ny teny mihasihasy.
Ataovy soratra mazava tsara hono hoe"
Fa aza atao hafatra misafelika;
Ambarao ao anaty taratasy ao koa hono fa hoe;
Mbola tia ahy foana na dia tsy manoloana endrika.
Maharavo.A 13.05.2017
Ankadikely-Ilafy Avara-drano
--------
Rohy:
673 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145