Fa tiako foana ianao (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA TIAKO FOANA IANAO!
Fa tiako loatra ianao;
Matoa aho nanao ireny;
Tsy hoe nataoko kilalao;
Fa tena fitia avo heny.
Fa tiako foana ianao;
Na be esoeso,tabataba aza!
Toy ilay fombanao fahazaza
No naverinao,hatolotrao ahy izao.
Fa tiako foana ianao;
Na dia fatram- pankahala,mpanaratsy!
Maika aho hitia anao
Mba hahafaly ireo mpihantsihantsy..
Fa tiako foana ianao
Na dia fatram-pialona,mpangarika!
Ny foko tena tia izao
Tsy voatery,na koa miharika.
Fa tiako foana ianao;
Tsy hasoloko ny hafa!
Fa olona tsara fanahy toa anao;
No tiako hiara-hitafatafa.
Maharavo.A 10.05.2016
Ambatofotsy Avara-drano
--------
Rohy:
1150 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148