Fantatro fa... (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANTATRO
Fantatro fa...
Mafy izany hoe miaina!
Kanefa atao ahoana moa
Fa izany tsy maintsy ho zakaina sy lanjaina.

Tsikaritro fa...
Mafy izany hoe mitia!
Kanefa atao ahoana moa;
Tsy maintsy dinganina izany fa tsy hoe sanatria

Tsaroako fa...
Mafy izany hoe mahantra!
Kanefa atao ahoana moa;
Fa izy ary tsy mba misy mpiantra.

Tadidiko fa...
Mafy izany hoe kamboty!
Kanefa atao ahoana moa?
Fa izy ary tsy mba afaka miangoty.

Rehako tsara..
Izany hoe mangidy!
Kanefa...
Tsy maitsy zakaina hono re fa adidy.

Rehako tsara
Izany hoe hirifiry!
Kanefa...
Dinganiko foana na tevana mankadiry.
Maharavo.A 10.15.2017
Ankadikely-Ilafy Avara-drano
--------
Rohy:
678 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147