Fetiny (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FETINY

Ankehitriny izao,mifety izay mifety,
Mifety tsy an-kihamba!
Manao izay tiana atao,amin'ny resaka lamesa.
Ao no mifety an-tsingerin-taona,fikakaloana koràna;
Ny fety mariazy,mifanesy foana foana,
Isan'asabotsy,isan'taona tsy fetra.
Na aiza na aiza tany aleha dia ahitana azy daholo!
Fotoanany koa izao ny lanonam-pamadihana,
Hamonosan-drazam-be!,ny razana fahiny.
Avy vakinakaratra no niandohany,ka miafara eto an-tanàna.
Vetivety kely teo dia rakotra vahoana,ny tsena manontolo,
Ny lalana amin'izany,efa tsentsina daholo,
Tsy misy andehanana,fa an-kisisisisika rehefa ianao mandalo.

Eny ho'aho eh!,izany ka tena fety!,
Ny fetin-dry zareo,no fety tena mety.
Ianao amin'izany,variana fotsiny mijery,
Mitakandrakandrana,mitsiriritra izany fetiny.
Eny eh!,toa manao gila maso éry mitazana ny lamesany.
Atsy,doboka aponga!,eroa, doboka mozika,
Toa ré foana ireo,vao naraina,ny atoandro,na misasaka aza ny alina!
Ny eto an-tanàna koa,antsoantso tsy misy fetra,
Mikotabataba daholo,ny fiaraha-monina rehetra!.
Indraindray ianao toa leo,ny kotaba lavareny,
Dia namoaka feo mihitsy hoe:any ambanivohitra izao no mety,
Fa any tsisy fety,tsisy kotabataba!
Fa koràna kely fotsiny,no atao eo avara-patana,
Dia mangina ny tontolo!
Tsy harenesam-peo intsony,
Fa ny akoakom-peo,no mitsidik'ao an-doha,ao anaty!
Rehefa misasak'alina,
Dia tao ny trahotrahom-boron-dolo,
Ny dododon'ny kary sy no ako mba tsaroana.
Dia tonga ny maraina,maraina izay andrandraiko.
--------
Rohy:
896 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116