Fiainan'izany (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINAN'IZANY
Raha mbola fiainana;
Tsy misy mafy toy izao?
Hirifiry sy fitarainana;
No feno mialokaloka ao.

Raha mbola fiainana re!
Hafa ihany ny eto an-tany.
Na mangidy sy mampitomany aza ve!
Dia mbola hiainanao ihany?

Raha mbola miaina ve;
Tsy maintsy misy fihafiana!
Sa izao tontolo izao no efa voalatsa
Voahozona mba higoaka fijaliana!
Ka hianoka tsy fidiny,izany hirifiry re;
Sy izay rehetra rehetra iraketan'ireo latsa.

Fiainana izany ka mbola fiainana!
Na any an-koatra aza mbola be fitarainana.
Ny ety an-tany moa;
Miandrandra ny eny ambony!
Manantena fiovany sy soa;
Fa ny any kosa;
Angamba osaosa;
Mijery anao mitoloko ety ambany.
Maharavo.A 03.05.2016
--------
Rohy:
666 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149