Fisaorana an'i Neny (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISAORANA AN'I NENY
Tsy voalazako indray miteny!
Izany fisaorako anao ry Neny;
Ny tamin'ireo soa sy zava-bitanao;
Hatramin'izay ka hatramin'izao.

Na ny tamin'ny fitiavana izay nasetrinao;
Na tamin'ny fanoroana izao sy izao!
Tena be fitia ianao ry Neny;
Izay no tsikaritro teny ho eny.

Ny amin'ny fampaherezana moa tsy voalaza intsony;
Ny amin'ny fananarana koa tsy tambo tantaraina;
Misaotra anao be dia be ry Neny amin'itony;
Fanampinao,anatranatrao fa entiko hisaina.

Tonga ry Neny ity andro iray;
Mba hanamarika ny fetinareo;
Iriako ho feno tsiky,izany fotoana izay;
Fa tsy hahakivy na koa hitoreo.

Mirary soa anao ry Neny!
Mba hisambatra,ho ravo ombeny ombeny;
Ary ho tojo fifaliana,fitsikiana hatrany;
Fa tsy hoe fatram-palahelo,fatram-pitomany.
Maharavo.Andriamalinarivo
--------
Rohy:
1971 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149