Fisiako - Rary Nofy
Azo vakiana?
NY FISIAKO
Ny amiko hono ve?
Ny mampahory anao!
Olana va re?
Izao fisiako izao.
Ny fisiako ve?
Dia olana ho anao!
Sa manaratsy tena
Amin'ny olona izay honena.
Aleo aho andeha
Aza arahin'alahelo
Aleo aho andeha
Andeha hirehareha
Fa aza sakanana ny lalako
Aza kianina ny teniko
Aza tohanana ny toro-hevitro.
Nolazaina fa tsy ho tafita
Nambara koa fa farahidiny
Nangataka ny mba hiam-pita
Iry tetezana izay finidiny.
Aleo aho handeha
Andeha hanadino anao
Andeha hiampita
Na dia tsy ho tafita
Maharavo.A 01.11.2016
Sokajy :
embona, fiainana, Fiaraha-monina, Fiononana, Fisarahana, Fitiavana, Hambom-po, Kolontsaina, Malalaka, Namana, Politika, Tanindrazana
Mombamomba
Mpanoratra : Rary Nofy

Nampiditra : Fatals
Daty : 09/04/2017
Mpamangy : 543
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LEFITRO FOANA Raha toa iINY LALAN'INY Herezo let
HAFA IHANY Vao maty iana
Alim-pody indray
Mandehana sombinaiko
Ankiziny taloha
ANY AMBADIKA ANY!
Tsy hay hadinoina
Ry taniko oh nahoana?
Any ho any izao