Gaga aho talanjona; Mandi (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gaga aho talanjona;
Mandika ilay maraina!
Ny foko toa mianjona;
Fa mipaika ireo taraina.

Dia ravarava ny haizina;
Potipotika,ny hazavana;
Fa nahoana no nofaizina;
Toy izany no hiafarana.

Ny masoandro vao maraina;
Toa mangeroka fanahy;
Mampiseho ilay tsy ilaina;
Izay mahatonga ahiahy.
--------
Rohy:
485 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0986