Hafa ihany (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA IHANY

Neny o!
Hafa ihany ny eo anilanao
Fa toa tsy misy mahasolo
Izany toeranao

Neny o!
Hafa ihany izany fitiavao
Mampitraka ,mampifaly hatrany
Sy mandavo ireo tomany.

Na i Dada aza moa,toa nankafy sahady
Rehefa nahatsapa ny ahalalin'ny fitiavanao.
Rakotra hankafy,fahasambara eo anilanao;
Fa tsy handeha any an-kafa intsony hitady.

Neny o!
Hafa ihany raha mbola eo ianao
Misy hiantahantana,hanambarana ny alahelo
Sy ireo sorisory izay mivelovelo.
Ao anaty foko ao hatramin'izao.
--------
Rohy:
675 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147