Hisy hahatsiarovanao (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HISY HAHATSIAROVANAO
Hisy ora iray
Hanembonanao ahy
Ka raha mahatsiaro ianao amin'izany
Tsarovy fotsiny fa aza mitomany

Hisy andro iray
Ahatadidianao ny anarako
Tadidio fotsiny ihany
Ataovy hoe efa vovoka ny fanahiko

Hisy taona iray
Hitsidihanao ny vatako;
Tsarovy fa efa lasa ilay
Androm-pisambarako.

Hisy minitra iray;
Hampitamberina ilay
Tsiahinao mankany amiko
Aza lasalasa saina fa ianao ilay tena mamiko.

Hisy segondra iray
Hampandrevo anao mankany
Any anatin'ny fanahiko
Ka hahalefy ny tsiahiko.
Maharavo.A
--------
Rohy:
705 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159