Ilay fitia nofinofy (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavako anao re!
Toy ny aloka niserana;
Anio sambatra va re!
Ampitso toloko sisa no manerana;!

Efa tonga ilay tompon-toerana;
Izay hisolo indray ilay toerana!
Ka handao ity foko honena;
Toa torovana sehesehena!

Aoka hitambatra ho tantara;
Ilay fitiavako anao voarara!
Tsy ahita izay mba ho anjara;
Fa lasa ny sambo fiara!

Hiketraka ve sa hangina?
Manoloana anao ry tiana!
Manjombona mandrakariva;
Ity foko rehefa mody ny hariva!

Izany re ny ventsom-panahy;
Izay mety ho fanilon'ireo tsiahy!
Fa ianao tsy natokana ho ahy;
Fa hay ianao ampitso dia hanadino ahy!

Ity no mba faran-teny;
Nolazaiko taminao teny ho eny!
Veloma ary mahatanjaha;
Fa izaho moa tsy mba manahy!

Veloma ary mandram-pihaona;
Tsaroako,ilay fotoana fihaonana!
Ilay tery an-tampok'havoana;
No nahatonga ny foko hisaona!

Maharavo Andriamalinarivo 12.05.2016
--------
Rohy:
1387 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106