Ilay ora tena mamy (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faly ny fo;
Ravoravo ny fanahy;
Fa nisinda ireo toloko;
Ary nandao ireo tsiahy!

Anio ilay andro;
Ilay ora tena mamy!
Ilay andro fifaliana;
Na toloko fitsikiana!

Efa nambarako ombeny;
Fa anio ilay ora mamy;
Ka namoronako tononkalo;
Tao anaty rihan-kalo;
Tamin'ilay tsiky mba nandalo!

Anio ilay fahasambarana;
Iriko ireo tsiahy tsy ambara;
Fa sao hadiva hifarana;
Ilay androm-pahasambarana!

Aleo hisinda ny toloko;
Ao koa ireo fahoriana isan-toko;
Aleo izy handeha hisoko!
Fa efa nameno ratra ny foko!

Toa niova fifaliana indray;
Ireo fijaliana niaretana hatrizay!
Ka feno fahasambarana;
Na mafy aza ilay fisarahana

Anio ilay tsingerin-taona;
Ilay fety,izay no marika!
Fifankahitan-tsika hatrizay;
Ka hipetraka ho fahatsiarovan'indray!

Maharavo Andriamalinarivo (Fatals) 14.02.2010
--------
Rohy:
1136 1
Mpakafy: rrandriasamuel
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143