Ilay tsiahy anao (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy feo iray mihiaka;
Ao anaty foko ao!
Toa re'ko mikiakiaka;
Hay:ilay tsiahy anao.

Misy hery iray manosika;
Ilay ventsom-po anatiko ao!
Mibaiko ny fanahiko;
Mba ahatsiahy anao.

Misy ventso tsy hay tohaina;
Mamirifiry izany saina!
Mibosesika ao anaty;
Ka raha afenina tsy tanty.

Io ilay tsiahy anao;
Tsy hay vonoina,tsy mandao;
Fa toa re'ko mifamaho;
Ao anaty fanahiko ao.

Embona ihany ve?
Sento ihany koa?
Ka nodiako toa tsy re!
Hay ilay tsiahy anao tokoa.

Toa tsaroako malomaloka;
Iry vodi-lanitra iry!
Fa re'ko manalonaloka;
Iry tsiahy anao iry.

Maharavo.A
--------
Rohy:
787 1
Mpakafy: rrandriasamuel
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146