Iny boky iny (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny boky tonta iny!
No mba fivakiny isanandro;
Iny mantsy no iriany!
Mba hampitsiky ilay masoandro.

Iny boky kely iny!
Ilay boky fanaony am-paosy;
Mba ataony souvenira;
Rehefa volana alakaosy.

Iny boky mena iny!
Iny ilay boky fiventsony,fanoratany;
Ilay tsingerin-tsenony,Tsy ambara-telony;
Sy ireo alahelo,tsiahy,fifaliana tao anatiny.


Iny boky iny ho'aho!
No saika mba omeny ho vakianao;
Fa toa mahaliana loatra;
Ny tantara anatiny tao.


Iny boky iny koa!
Toa misy zava-mahasoa;
K'anefa ianao tsy liana hatrany;
Ny hamaky izany sora-tanany izany.

Maharavo.A
--------
Rohy:
880 2
Mpakafy: Fatals - tolotrar19
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145