iny diampeniko iny (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ity diampeniko ity;
dia atolotro ho anao;
mba ahafataran-dry!
fa tena tiako ianao!!

na ho mafy ny ho atrehiko;
manoloana ny ho aviko;
iangaviako ianao rahavako;
mba hitsilo izay ho diaviko!

iny diampeniko iny
dia mety ho tsaroanao
eny!rehefa manirery
toy izao ataoko izao!

raha toa tsy sitrakao;
ny ahatsiahy ilay tantara;
aoka hivalona mba hangina!
raha izay no tianao atao;

izay diam-peniko izay;
tsy manindry na manaratsy;
fa manambara ilay tao am-po;
mba ho taratr'ilay fiononam-po!
--------
Rohy:
622 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015