iny sora-tanako iny (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iny sora-tanako iny;
noventsoiko an-tononkalo;
iny eritreritro iny!
nohantsoiko mba ho kalo;

ilay hery nanaitra ny foko;
na fifaliana,na toloko;
nosoratakp avokoa;
tamin'iny sora-tanako iny!

ilay hery tsy hay tohaina;
mibosesika,mifanesika an-tsaina;
io ilay aingam-panahy;
izay nahatonga fofona ahy;
ka niventsoiko indray ny kanto;
mba hirindra sy hilanto

Maharavo ANDRIAMALINARIVO(Fatals)
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Aingam-panahy
1130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143