Io facebooky io (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO FACEBOOKY IO
Toy ny fitaovan-tserasera;
Pejy iray tena malaza;
Hita ao daholo na lehibe na zaza.

Fa io facebooky io letsy;
Mahatetika maharesy;
Ny fo sy ny saina!
Ka mahatonga harerahan-tsaina sy taraina.

Noamafisin'i Bebe;
Tao koa i Dada sy i Neny;
Samy nanamafy ny vokany hoe...
Tsy mitondra soa ireny.

Indraindray aza mahakivy;
Ny fanaovana azy io,
Miala ianao amin'ny sivy;
Tafaverina ianao amin'ny folo.

Fa raha mitondra soa;
Falifaly toa ravo tokoa;
Voambaranao daholo;
Ireo zava-tsara nifanolo.

Dia noho io facebooky io;
No nahatonga anao toy izao;
Indraindray toa mitsiky;
Indraindray toa toa mihiky.
Maharavo.A
--------
Rohy:
611 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115