Izany havako izany (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZANY HAVAKO IZANY
Toa mangingiana ho'aho izany havako izany!
Toa malomalok'endrika,ohatran'ny avy nitomamy.

Toa manjonitra,toa malaheloelo;
Fa nanafina amiko,ilay tsy ambara telo.

Mahatsiaro ilay tiany ve?
sa
Malahelo ilay malalany?

Ilay olona niriana nanalavitra ny anarany
Lasa nisinda nanadino ny tantarany,
Nandao ny vatany,ny tavany,ny tarehiny
Ary koa ilay nahafoy,ilay hany mba anjarany.

Toa tsy hita intsony,tsy tsikaritra ihany koa
Ilay malalany iny
Ka ny ranomasony hono no sendra mba tsy tana;
Niantefa taminy
Ny alahelony ihany koa no indro mba namoa
Ilay tsiarony iny,no lasana nitraotra,nifoha.

Navaliko azy hoe"aza malahelo
Aza mitaintaina,na koa mitaraina!
Fa ny tsiahy anie,mahatonga alahelo;
Mampahory tava,mahatonga aretin-tsaina.
Maharavo.A
--------
Rohy:
685 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223