Malala a! (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala a!
fa nahoana re ianao;
no toa manjonitra toy izao?
sa va re manembona azy!

Efa hitako aninkeo;
ilay endrikao varian-driana;
mijery ilay tiany;
ka nampiventso ahy!

Raha iny nandinika aho;
nibanjina azy ianao;
kanefa tsy nojereny akory!hay!
izy nanoloana ahy sy ianao!

mba niteny tamiko izy;
hoe tsy mba vazivazy;
ilay fitiavany anao;
fa tena ho doria fa tsy lalao!

Malala a!
hitako avokoa ireo;
hasambaranao k'anefa...
indrisy!ity foko mba ihantrao!!!

Miangavy,mitalaho re!
ka miankohoka aminao;
sa ilay fitiavanao va re?
efa lasany avokoa?

Eny e! variana koa angamba aho;
toa mandinika ny lasany;
izay no nahatonga ahy hangina;
ka torovana sy sondriana

Fatals 12.05.2012
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fitiavana
1148 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144