Mandevy (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDEVY
Mandevy sahady ny rano mafana ao anaty vilaniny,
Mikotrakotraka toy ny ra miboiboika ao anaty avokavoko,
Tsy mitsaha-mivadika,miova loko toy ny lokon'ny tarondro,
Manetroka maso,mahatsemboka tampoka ny tava,ny setroka avoakany.

Ny toko nanafanany azy amin'izany,toko gasy telo,tsy nampiany fanampiny,
Toko mba tsara,ary nanana ny lazany,ny dikany ,heviny teo amin'ny Ntaolo,
Dia toko,nanana ny tandrifiny,nanana ny lanjany,mivaky batsilana,mahitsy zoro,
Nampiasainy tamin-kipitso,tamin-kasambarana fa tsy nisy horohoro na koa lonilony.

Mamangy sahady ny oran-kavandra,nandrasany tsy tonga omaly!
Midoboka toy ny olona mianjera,latsaka,avy eny ambony...sarety.
Mitrahotraho,mandrakotra ny tontolo,ny hevokevoky enton'ny hafanana,
Mankarary saina,mandreraka ny loha,ka mampisaintsaina isa-maraina

Dia tonga,dia tonga,dia avy ny tondra-drano nameno tanàna,
Tsy misy fanefitra,tsy misy hindra fo,fa voatery ianao mijanona an-trano
Rehefa mivoaka,eo ivelany eo dia maharé kotaba maro be,tsy misy tohinina,
Nisy niteny hoe:lasan'ny rano,lasan'ny rano hono,ny zafikelin'i Fano.

Mandevy sahady ny rano mafana ao anaty vilaniny!,
Mandevy!,mivadibadika,mikotrakotraka manainga ny takotra,
Ny avy eo dia mikorintsana,midobodoboka,mipaopaoka,
Mampiotsokotsona,mampangovingovitra ny ivelan'ny sisiny.

Dia niakatra,dia niakatra nanantona ny lanitra,ny entony mandry
Nitsonika ho habakabaka,mivanon-ko rahona izy ny avy eo,
Mitovy sahalamin'ny setroky ny fako nodirako omaly,
Tsy misy mba hitako intsony ny androany,fa lasan-ko zavona,mieboeboebo.

Avy eo hoy aho dia tsy hitako intsony,fa lasa nanantona ny lanitra manga,
Nihezaka ihany aho,no nandinika,niandrandra,fa tsy mba nahatazana,
Niketrika ihany aho ny tokony ho atao mba hahatsinjovako azy,
Hay kay lasa zavona,lasa gazy eny an'habakabaka ilay entona,niakatra omaly

Dia tapitra hatreo ny dindon'ny maso,tao anatin'ny haizina,
Fa lasa nanantona,nanakatra ny habaka manga ny setroky ny rano mafanany,
Tsy nahitana intsony,ireo boiboika,mangoro vitsika tanaty vilany,
Fa nobatainy,nalany teo ambony fatana aingana,ilay rano mangotraka.
--------
Rohy:
723 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145