sasa_miandry (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
efa ela aho no niandry;
ilay fitiavanao;
saingy,indrisy tsy tafandry!
isaky ny alina toy izao;

eny!manantena moa;
ny mba ho tiavinao;
ity foko mbola tia;
izay efa sasa-niandry tao!

niandry teny aho;
fa angamba adinonao?
ity foko manantena;
efa reraka,sehesehena!

Raha toa ka!
ho lavinao izany?
angamba hitomany;
ity foko manontany!

dia ilaozanao izany?
ity foko kely manantena!
dia ho adinonao izany?
ity foko kely mahonena!

indrisy!lasa nandao ianao;
nahita ilay tena tia angamba?hoy aho!
ka nilaozanao ity fo keliko;
sy ilay tantarako izay nambarako!

veloma hoy aho;
mandram-pihaona!
fa ity foko niandry tao;
no voatery tsy maintsy hisaona!!
Fatals 20.06.2015
--------
Rohy:
657 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146