Mionona re ry foko (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ilay faniriako hatry ny ela;
mba hiara-dia aminao;
saingy indrisy toa tavela;
fa toa tsy norarahinao!

nosoloinao fihomezana;
ireny fangatahiko ireny;
manjary lasa fahoriana;
miteraka ilay fijaliana,mahamay;manirery!

ilay fitiavako anao!
toy ny rivotra niserana;
toa nataonao kilalao;
fa tsy nataonao am-piheverana!

nosoloinao fankahalana;
ilay fifaliako ombeny ombeny;
izay vao fantatro fa...
izany kay no sitrany teny!

ireny fangatahiko ireny;
indrisy!toa hadinonao;
toa tsy nasinao dikany akory;
izaho izay manoloana anao!

toa adinonao ilay tolokoko;
fa toa nilaozanao nandao;
mahereza,mionona;
veloma mandram-pihaona ianao
--------
Rohy:
923 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144