Misiterin'ny alina - Rary Nofy
Azo vakiana?
MISITERIN'NY ALINA
Mangina daholo ny tany rehetra izay notazaniko,
Mangina tsy ahitan-teny,fa tony dia tony;
Manainga ny foko hikaroka,ilay tena misitery,
Ny misiterin'ny misy amin'ity tontolo ity amin'izao alina izao.
Ny vola-balika,no indro mitaratra ny lalan-kombako,
Ny kinta-manjelatra,no tsikaritro mirehitra,manjelanjelatra,
Ny tany amin'izany,mikitroka dia mikitroka,maloka tava,
Ny foko kosa,tsy mitsahatra mandinika,ny raho-mandalo.
Ny laingon'oliva,ery avara-tanàna,tsy mitsaha-miredona,
Ny sariotran-drivom-pifofo,miha-mitsoka mafy eny ihany;
Ny vovoan'alika,ny kiakan'ny kary,midoboka mafy,
Ny foko amin'izany,torovandrovana foana,mandinika lalina.
Ny tafon'ny tranoko,tsy mitsaha-mipoaka,mikoritsan-drintsana,
Manoatra ny dobok'aponga,manako,an-toeram-panaova-lanonana;
Ny masoko amin'izany,toa efa jambena,mijery ny habaka,
Ny saiko tsy tana fa lasa mivembena,mirenireny,dia lasa mihelina.
Ny ankizy ao an-trano,tsy mahare in'inona,fa resin-tory daholo,
Tsy hitany akory ny dingan-davako nandalo teo anilany,nanao kitsaitsaika
Dia lasa,dia lasa ny vatako nivoaka ny trano,ny vetivety kely teo,
Tsy nankaiza aho tamin'izany,fa lasana naka toerana,nandinika ny alina
Mangina daholo,ny tany rehetra izay notazaniko,
Mangina toa moana,tsy nahitan-peo,fa toa ny samoina,
Ny saiko,tsy tanàko hirenireny,hibanjina lalina,
Fa hitako,toa manafin-java-tsoa,ity tany nisiako,niainako.
Mombamomba
Mpanoratra : Rary Nofy

Nampiditra : Fatals
Daty : 01/11/2017
Mpamangy : 779
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LEFITRO FOANA Raha toa iINY LALAN'INY Herezo let
HAFA IHANY Vao maty iana
Alim-pody indray
Mandehana sombinaiko
Ankiziny taloha
ANY AMBADIKA ANY!
Tsy hay hadinoina
Ry taniko oh nahoana?
Any ho any izao