Mizotra mankany - Rary Nofy
Azo vakiana?
MIZOTRA MANKANY...
Malagasy va ianao?,Malagasy ray sy reny?
Mbola malagasy toa ny fahiny sa malagasy ankehitriny?
Sambatr'eny ianao ry Malagasy tiako indrindra,
fa manana ny teny,miavaka,kanto sy voarindra
voalahatra ao anaty diary miafina tsy hita,
ao anaty tany,lavaka,hilevenan'ny razantsika.
Ry taniko oh!jereo ireto tanora kantonao,
Malagasy ngiringiriny anefa tsy mahalala izay hatao
Malagasy tia fivoarana,Malagasy te hivelatra
Malagasy te hiova,Malagasy te hisidina anefa tsy mba manan'elatra.
Ny sangany eny izao,mbola an-tanan'ny vahiny,
ny tongony ihany koa,mbola mibaka ankehitriny
Aiza izao ny aleha?,Aiza izao no fetra hianteherana amin'ny fahafahana!,
Ho aiza koa ny dia?,Aiza izao ny zoro ahitana fahalalahana!
Ny tanora mantsy izao,tsy mitsahatra miova,mivoatra,
Mikatsam-pahasambarana,tsy voatana fa mitraotra,
Mirenireny dia,manao izay tiana atao
Tsy voatana amin'ny tiany,fa manao ny tsy fanao.
Aiza intsony izao,ilay satanao fahiny?
Ilay sata tena tsara,naharendremana ny vahiny,
Fa mahagaga ankehitrio ny zavatra mitranga,
Fa tsy rarahin'ny olona intsony ny sampin'Ambohimanga!
Miseho eto indrindra,ary arangaranga,
Ny fiovan'ny tany,ny fiovan'ny fenitra,ilay tena nimasohana!
Miova tampoka ilay gasikarako,
Gasikara tsara tohana,gasikara tsara elatra
Taritin'ny vahiny,manao izay tiany atao,
Dia avy eo lasa mitozo,mivarotra fananana.
Ny malagasy kelinao ry taniko,
Malagasy liam-pivoarana,Malagasy liam-piovana
Malagasy liam-pandrosoana,Malagasy tia ny vao.
(…)
Sambatr'eny ianao ry Malagasy tiako indrindra,
Fa manana haren-tsaina,tsara,soa,voarindra,
Dia ny teninao,ny soratrao izany!
Ireo no rakitra tantara,hanaporofoina,
Fa tany tena sambatra i Madagasikara,
Kanefa izany soratra izany?handraketana fa…
Io soratra velona io tsy afaka ambara,
Fa ny hita izao dia hoe:liam-pivoarana i Gasikara.
Mombamomba
Mpanoratra : Rary Nofy

Nampiditra : Fatals
Daty : 01/11/2017
Mpamangy : 897
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
LEFITRO FOANA Raha toa iINY LALAN'INY Herezo let
HAFA IHANY Vao maty iana
Alim-pody indray
Mandehana sombinaiko
Ankiziny taloha
ANY AMBADIKA ANY!
Tsy hay hadinoina
Ry taniko oh nahoana?
Any ho any izao