Na... (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA...
Na manganohano aza aky;
Ny masoko izay mitopy;
Dia inoako fa mbola hitsiky;
Izany aingam-pahiko mitsilopy.

Na mampahonena aza ny tontolo;
Tsy afaka aharina intsony;
Ireo zava-boary no sendra nisolo;
Haratsiana,ka potika hatramin'ny ony.

Na mahaontsa ahy aza ny manodidina;
Angamba ny foko tsy afaka hisidina;
Hiaro sy hikolo ireo rehetra jinery;
Fa tsy maintsy hisaona,fa voaterirery.

Na malomaloka aza ny fahitako ny tany;
Tsy nandrotra-dranomaso izy,na koa nitomany.
Fa alahelo no setriny an'izany satria!
Tsy tambo isaina ireo mpanimbazimba,ary maro ireo tsy tia.
Na ny monina eto amboniny,na ny mirenireny any an-koatra
Toa fatra-panapotika;izato tontolo tsy mivoatra.
Maharavo.A 08.05.2017
--------
Rohy:
486 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126