Nahoana (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nahoana loatra ho'aho;
ity foko ity!
variana mandinika;
sondriana ery!
mijery ny hakanton'ny
zavaboary!
sy ny manodidina;
izay miharihary!

nahoana ho'aho;
izany fanahy!
manidina toy ny;
lolo eny ambony!
variana mijery ;
ny hakanton'ny tany!
ka finaritra foana;
na dia feno tomany!

nahoana kosa re!
ny fiainan'ety;
toa finaritra sy kanto ery!
mahatalanjona ny
maso satria;
mahavariana raha
sendra ny tia!

nahoana re ry rahon'ambony!
no takona 'ilay hazavana mankao!
mitaratr'ilay ambanin'ny tany;
sy iry havoana
misandratra any ho any!

Fatals na Fatalis
--------
Rohy:
650 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014