Ny alaheloko azy (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zavo-maraina;
Toa mangolingoly!
Ny kotrok'atoandro;
Toa velon-taraina!
Ny alahelo azy;
Tsy mety miala;
Fa mifikotra mafy;
Toan'ny rivo-mifafy!

Ny raho-mandeha;
Toa tsy miteniteny!
Ny oran-khoavy;
Tsy milazalaza!
Fa ny saiko manina azy;
Toa malahelohelo;
Tsy mba mampilaza;
Fa toa mivelovelo!

Ry raho-mikoriana;
Toa mivalavala!
Ny foko tsy mahalala;
Hoe"handeha izy hiala!
Hanadino ny fisiako;
Ny amiko rehetra!
Hanadino ilay niaviany;
Sy ny tany naniriany!

Ny vorona misidina;
Toa mitrahotrao!
Ny feon'ny ravin-kazo;
Toa mihazohazo;
Fa mihetsika mangina;
Misiosiok'izy!
Fa raha vao jerena;
Ianao no toa tsaroana!

Ny alaheloko azy;
Toa embona mandalo!
Ny tsiahy ao am-po;
Toa tsy miova loko!
Fa lasa fahoriana;
Fahoriana lalim-paka!
Ireny fitiavanao ireny;
Toa efa latsa-paka!

Ny ankason'ny tany?
No nahatonga ny foko;
Hisaona!
Ny fampahoriana ihany;
No mampifandao antsika tety!
Ilay fiainana koa;
No nampisaraka ny fo!
Ilay foko malahelo;
Fa toa mamelovelo!

Fatals/Maharavo Andriamalinarivo
--------
Rohy:
927 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143