Ny aty aminay (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tontolo aty aminay!
Manjombona mantsy rehefa maraina!
Fa takon'irony zavona be mivaivay;
Toa haizina sisa no tonga miaina!

Toera-mangina tsy be tabataba;
Ny rahona,ny kotroka no toa mikotaba!
Ny orana mitraho no tonga mamangy!
Ny tanananay,tsy mba misy mpamangy!

Ny lala-mankany no sendra mangina;
Tsy mba misy mpamangy,toa tsy misy mpitsidika;
Lavitra loatra ny tany vangiana;
Ka tsy misy ny tonga,na koa miserana!

Ny rivotra ao!madio ery!
Ny toerana any!mampitsiriritra!
Andao re hiaraka hamangy any;
Any amin'ilay toeran-tsopatra vitsy mpitsiriritra!

Io ilay toera-mangina nalehan'ny tiana;
Toera-tokana,izay tena niriana!
Andeha aho re!Andeha aho ho any!
Toa mampitsiriritra indrisy; izany any an-koatra any!

Fatals
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo - fiainana
917 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145