Ny fahazazana (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHAZAZANA
Tsaroanao ve ny fahazazana;
Ilay fahakely,niaraha-nilalao;
Toa anaty lovolobon-garana;
No niara-nihafin'izaho sy ianao.

Tsaroanao ve ilay kivarivary!
Ireo no natao kisarisary;
Mba ho marika fa nandalo ny fahazazana;
Ka handroso indray amin'ny hatanorana.

Tsaroanao ve ilay bedibedin'
I Dada sy i Neny!
Rehefa madiditra dia omen'
Zareo teniteny.

Tsaroanao ilay mariazy,mariazy;
Natao fony mbola tsy nisy saina!
Izao sy ianao tamin'izay no mba manasazy;
Rehefa tsy manaraka,izay nokasaina.

Tsaroanao ve ilay izaho mody tia;
Kanefa kilalao fa tsy tena fitia!
Ilay hany mody natao sangisangy;
Hoe izaho no,efa mamangivangy.
Maharavo.A 16.05.2017 à 21:00
--------
Rohy:
890 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143