Ny fitia (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIA
Ny fitia re tsy kilalao;
Fa atao resaka tena matotra;
Raha toa mitia ianao!
Ataovy fitia mifamatotra;

Rehefa mitia re aza afenina;
Na amin'i Dada na i Neny;
Fa raha tsy izany hanenina
Rehefa tojo ilay eson-teny.

Aza sodoko ny akanga tsara soratra
Fa mijeré tsara izay mba ho anjara;
F'andrao any aoriana vao voatondro molotra;
Ka tsy hahalala intsony izay ratsy sy tsara.

Rehefa mitia re aza mihanihany;
Na hihevitra ny hanao kilalao;
Fa raha mbola fitia eto ambonin'ny tany;
Na mangidy aza izany,tsy maintsy lalovanao.

Ny akoho taman-trano ange miandry ihany e;
Izy mantsy ilay anjaranao;
Ilay tokan-tsy foy tsy hanao kilalao;
Ity fitiavanao,na hanadino izany fahatokisanao re.
Maharavo.A 14.05.2017 à 21:02
Ambatofotsy Avara-drano
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0577