Ny fitiavako anao (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAKO ANAO!

Ny fitiavako anao malala;
Atako toy ny fitiavako raozy!
Esorina tsy miala;
Akisaka vao miha mifarangotra.

Ny fitiavako anao ry tiako;
Ataoko toy ny fitiavan-tantely!
An-tsaha tsy mifandao;
An-tanety tsy mifanary.

Ny fitiavako anao re;
Toy ny fitia voam-boatavo e!
Raha tanora ataoko sakafo;
Raha antitra kosa ataoko aingon-trano.

Ny fitiavako anao ry sakaiza;
Ataoko toy ny fitiava-namana.
Fifanampiana,Fifanarahana,fisakaizana;
No hamitranam-pihavanana.
Maharavo.A
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1142 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149